Fanisana mpifidy : Hajanona vonjimaika hahafahana mamoaka lisitra madio
Efa maherin’ny 10 tapitrisa ireo olom-pirenena voasoratra anaty lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao. Hisy ny fanakatonana vonjimaika ny fisoratana anarana hahafahana mamoaka lisitra madio. Miisa 65 000 ireo « doublons « nesorina tao anatin’izany lisitra izany ka miisa 10 004 252 araka izany sisa ireo izay voatana farany tao anaty lisitra.
« Hifarana ny 10 aprily izao ny fisoratana anarana anatin’ny lisi-pifidianana izay tokony tsy hifarana raha tsy ny volana mai izany. Ny antony hanatanterahana ziany moa dia ny hahafahana manadio amin’ny antsakany sy andavany izany lisitra izany satria araka ny hita dia aman’aliny ireo doublons izay efa nesorina. Hahafahana manamarina izany tsara dia tsy maintsy taperina aloha ny fisoratana anarana hahafahana manohy ny asa », hoy avy ao amin’ny rafitra miandraikitra ny vaovao sy ny teknolojia vaovao ao anatin’ity rafi-pitantanana ny fifidianana ity.
Manerana ny faritra 23 dia amin’io datin’ny 10 aprily io avokoa ny andro hamaranana vonjimaika ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. « Inona no tena antony ? sao efa zavatra hafa indray. Ny tenako manokana efa tsy te hifidy mihitsy mahita ny zava-misy amin’izao sy ny fomba fiasan’ireto CENI ireto. Raha tsy hifidy anefa dia sao mba ilay fifidianako iny no hanova ny tantara. Mizarazara ny saina”, hoy I Ranto, olom-pirenena.
Adidy ny mifidy, rah ate hisitraka zo dia tokony hifidy ary tokony efa tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana araka izany. Efa nisy ihany koa ny dinika niarahan’ny CENI tamin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana. Nentina hampitoviana ny fomba fijery eo amin’ireo mpanao politika sy mpisehatra anatin’ny politika izany dinika izany. Tanjona iray no katsahina amin’izany fifidianana izany dia ny fampandrosoana an’ny Madagasikara. Tao anatin’ny fanajàna ny lalàna sy ny soatoavina manodidina ny fifidianana no nanatanterahana izany dinika izany, hirariana hitondra fiovana hita maso amin’ny zotram-pifidianana tokoa.
Miora Raharisolo
