ActualitésTsidika

Afaka miforona mandritra ny fahazazana ny areti-maso « cataracte »

Nijoro ho vavolombelona tamin’izany ny fianakavian’ity zaza efa tratran’ny cataracte ity fony fahakeliny. Efa nanatona ireny toeram-pandidiana ireny moa ireto fianakaviana ireto saingy mbola tsy nahazo fahasitranana ihany ny zanany. Antony hanaovan’izy ireo izao filazana izao indrindra ny fahavoazan’ny zanany mba ho mailo ireo ray aman-dreny tsirairay avy.

Manahy mafy ny amin’ny hoavin’ity zanaka lahiny ity, 4 taona, i  Miharisoa Maminirina noho izy lasa manana fahasarotana amin’ny lafiny fahitana. Noho ny fisian’ny areti-maso cataracte ao amin’ity zaza ity, lasa ambany dia ambany ny tahan’ny fahitany ao amin’ny masony an-kavia. Marihina fa voadona mafy ny maso an-kavian’ity zaza ity ny taona lasa teo. Nanomboka tamin’izany, nandany vola amin-karena ny ray aman-drenin’ity zaza lahy kely ity ary efa mitentina ho 15 tapitrisa ariary izany vola izany saingy tsy nahitam-bokany. Hatramin’izao, mijanona ho manana olana eo amin’ny lafiny fahitana foana ny zanak’izy ireo, hoy ny rainy. Efa nisedra fandidiana indroa miatoana izay ity zaza ity fa tsy nisy fiantraikany tamin’ny fahitany akory izany. Manoloana izany, mitaintaina mafy ireto ray aman-dreny ireto ankehitriny.

« Efa nahita olona tratran’izao tranga izao ihany koa izahay teny amin’ny manodidina anay, ary nanana fahasarotana lehibe teo amin’ny fianarany izy. Tsy tianay hiaina sy hijaly toy izany  ny zanakay » hoy ity raim-pianakaviana ity. « Fandidiana in-droa izay no efa nataony fa mbola manana olana amin’ny tsy fahitana ihany ny masony an-kavia. Mikasa ny handefa azy any ivelany noho izany izahay mba ahazoany fitsaboana tsara ka ahafahany mahita tsara indray ». Nanazava i Dr Henri Andrianjafy, ophtalmologue fa  » mety ho hita eny amin’ny zaza ity aretina ity raha toa ka nisy « rubéole » ilay ireny nandritra ny fitondrany vohoka na ihany koa nisedra tsy fahampian-tsakafo. Ny tsy fahafahan’io « cristallin » io mahita hazavana dia mety ho vokatr’ilay dona mety nahazo ny masony « .

Vitsy ny zaza voan’ny « cataracte » mbola kely ary miteraka olana ara-pahitana izany raha tsy voatsabo aingana. Azo lazaina ho efa maro anefa izany tranga izany eto Madagasikara saingy mbola tsy maharaka ny fitaovana mifandraika amin’ny fandidiana izany ny eto an-toerana. Arak’izany, betsaka ny zava-baovao mitranga eny amin’ny andavanandrom-piainantsika ka tokony hisy vahaolana hatrany manoloana izany. Inona ary ny andrikitra tokony ho raisin’ny fanjakana eo anatrehan’izany ? Tokony hangataka famatsiana ara-pitaovana eo amin’ny lafiny fitsaboana ve izy ireo ? Sa tokony hanao fifanarahana amin’ireo toeram-pitsaboana any ivelany ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire