ActualitésTsidika

Madiva hifarana ny taom-piasan’ireo mpikambana ao amin’ny CENI

Ny 29 Oktobra 2021 ho avy izao no hifarana ny fotoam-piasan’ireo mpikambana ao amin’ny CENI raha ny tety androm-piasan’izy ireo. Hiroso tsikelikely amin’ny fanoloana ireo mpikambana noho izany izy ireo. . Nandritra ny enin-taona ireto mpikamba amperin’asa ireto no tao amin’ny vondrona mahaleotena izay miisa sivy. Manoloana izany indrindra, nanatanteraka fitetezam-paritra ny teo amin’ny CENI ahafahana mampivondrona ny hevitr’ireo mpikambana any amin’ny faritra.

Nitondrana fanazavana nandritra izany ireo fifidianana rehetra notanterana teto amin’ny fanjakana Malgasy nanomboka ny taona 2015. « Tanjona amin’izao fitetezam-paritra ny fanangonana ireo hevitra samy hafa hananan’ny mpikambana, hahazoana mandravona izany hitambatra ho hevitra tokana » hoy i Feno Rakotondrazaka, mpikambana ao amin’ny CENI. « Tsy tokony hitsabahan’ny filihm-pirenena instony ny fanovana mpikambana ao amin’ny CENI, aleo izy iasa amin’ny maha voamiera mahaleotena azy » hoy i James, mpikambana eo amin’ny antoko mpanohitra. « 60 andro mialohan’ny hiafaran’ny taom-piasana no tokony hanendry solontena tsirairay avy ireo mpikambana teo aloha, ireo olona voatendry ireo indray no hitanana ny voamiera mandritra ny taom-pitondrana manaraka » hoy i Stephanie, mpahay lalàna. « Na inona na inona resaka mandeha, anisan’ireo nitondra ny anjara birikiny ho an’ny filaminan’ny firenena ny CENI nandritra ny fifidianana. Vonona ny hiala am-panetretena amin’ny asany ankehitriny ireo mpikambana noho ny fahavitan’ny asa izay nahitam-pahombiazana » hoy i Narcisse Benaivo, filoha lefitry ny CENI.

Anisan’ny miteraka korontana eo amin’ny firenena ny tsy fijoroan’ny CENI amin’ny maha voamiera mahaleotena azy. Ankilan’izany ny fitsabahan’ny olona ivelan’ny fikambanana amin’ny famolavolana ny rafitra misy eo anivon’izany komity izany. Inoana sy antenaina fa hiasa ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izay mpikambana vaovao voatendry. Andrasana amin’izy ireo ihany koa ny hampanjakana ny mangaraharaha eto amin’ny firenena.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire