23 septambra : Andro iraisam-pirenena ho an’ny baiko moana
Nanomboka ny taona 2017 no nametrahan’ny firenena mikambana ny faha 23 septambra ho andro ho an’ny baiko moana na ny « langues des signes » mba hanohanana ny maha-zava-dehibe ny fahasamihafana manoloana ireo olona moana sy marenina. Efa betsaka ny mahay azy ity eto Madagasikara izay ankaherezina hatrany hanohy ny asany.
« Ny fihetsika no tena mibahana amin’ity teny iray ity izay asehon’ny tanana sy ny tarehy ary ny vatana iray manontolo mihitsy mba hifandraisana amin’ireo olona moana marenina » hoy i Lanto, tanora mianatra ny baiko moana. « Tokony ny Malagasy rehetra mihitsy no mahay ny baiko moana mba hanmpiana ireo namantsika manana fahasembanana ary betsaka ny tombontsoa amin’ny fahaizana izany » hoy ny avy ao amin’ny ivon-toerana Aka.Ma na ny Ankanin’ny Marenina izay mandray an-tanana ireo moana sy marenina no mampianatra ny teny baiko moana.
« Olon-tsotra aho ary mahay miteny tsara mihitsy fa kosa hitako fa tena ilaina ny mahay baiko moana hahafahako mifandray amin’ny olombelona tahaka ahy tsy afaka miteny sy tsy afaka mandre » hoy i Faniry, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
Fahasamihafana izany ka tsy tokony hanilikilihana ireo moana sy marenenina, ny firesahantsika amin’izy ireo dia efa marika fa manohana azy foana isika ary mandray azy eo amin’ny fiarahamonina. Ilaina noho izany ny fianarana baiko moana sady tsy vitsy rahateo ny ivon-toerana mampianatra izany eto amintsika.
Nicole Rafalimananjara
