Conseil

Afaka miaraka tsara ny angano sy ny teknolojia

Kolontsaina Malagasy ny fitantarana angano ; kanefa toa miha tsy hita izy io ankehitriny noho ny fivoaran’ny teknolojia. Azo atao tsara anefa ny manambatra azy roa ireo ka voizina manoloana ny fivoaran’ny hairaha hananarana ny ankizy ny angano.

« Taloha tsy nisy an’izany leadership sy ny fandraharahana sy ny horonantsary isan-karazany izany fa ny angano no natao hampialana voly sy hanomezana fampianarana ny ankizy hahay hitondra ny fiainany » hoy i Aina, mpikambary sy mpandala ny fomba nentim-paharazana. « Eo amorom-pantana no tena fitantarana azy amin’ny alina miandry ny sakafo ho masaka iny satria eo no mazava sy mafana ka ny ray aman-dreny lehibe no mitantara izany amin’ny ankizy izay angano niampita tamin’ny lovatsofina ihany » hoy ny mpanoratra iray.

« Mifono anatra sy fampianarana ny angano ary azo hanabeazana ny ankizy sy ny tanora ka na eo aza ny teknolojia dia azo atao tsara ny mampifandray azy amin’ny zava-misy ankehitriny ohatra hoe ao amin’ny fahitalavitra no hitantarana azy » hoy i Randriamamonjy Esther, mpikambana mahefa amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy. Tsy tokony ho sakana hanariana ny kolontsaina noho izany ny teknolojia satria zavatra eritreretiny mandritra ny fiainany ny angano ka hifampitana amin’ny taranaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire