Europe : « Tapeurs de vitres », asa hafakely fahiny
Talohan’ny niforonan’ny famantaran’ora fanairana, ny finday avolenta sy ireo fitaovana ahafahana mifoha maraina rehetra dia olona no nokaramaina namoa ireo mpatory maraina tany tamin’ny taonjato faha-19. Tao Angleterre, Irlande, France… no tena nampiasa ireo olona nantsoina hoe « tapeurs de vitres » ireo tamin’izany.
Nitety tanana niaraka tamin’ny fandraisana naoty kely nisy ny adresin’ny mpanjifa ireo « tapeurs de vitres » ireo ary nitondra hazo lava na nikapohana ny varavarankely ambony rihina mandra-pivoakan’ilay olona nofohazina. Marihina fa ireo olona fohazina ireo mihitsy no manarama ny « Tapeurs de vitres ».
Tsy fantatra kosa hoe iza no namoha ireo olona niasa namoha olona ireo.
