Maurice : Mikendry ny fampihenana ny trosa ny minisitry ny fitantanam-bola
Nanao fanambarana ny minisitry ny fitantanam-bola ao amin’ny nosy Maurice, Renganaden Padayachy fa maniry ny hampihenana ny trosam-panjakana izay nitoby nandritra ny Covid-19 ny tenany hatrany amin’ny taona 2027-2028 any.
Nandritra ny lanonana fanombohana ny atrikasa naharitra roa andro, nitondra ny lohahevitra hoe « Sovereign debt management, Sustainable bonds & Debt transparency » izay nokarakarain’ny Regional Centre of Excellence de la Financial Services Commissio sy ny OCDE (Organisation for Economic Co-operation and Development) tao Ébène ny tenany no nanao izany fanambarana izany.
Ho azy dia any amin’ny taona 2027-2028 no mety ho tratra ny tanjona amin’ny alalan’ny vina fampiakarana ny harinkarena ho 8 %, fampihenana ny tsy fahampian’ny tetibola izay mety ho latsaky ny 3% ary ny fivarotana « non-strategic assets » ny fanjakana eo amin’ny sehatra tsy miankina. Nilaza ihany koa ny tenany fa ny fampihenana ny trosa amin’ny fomba mangarahara dia ahafahana mitrandraka loharanon-karena ho an’ny sehatra stratejika samihafa toy ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fotodrafitrasa ary ny famatsiam-bola.
