Ambohimangakely : Ny fananganan-tsaina no isan’ny mamelona ny fitiavan-tanindrazana
Isaky ny alatsinainy no fotoanan’ny fampiakaran-tsaina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Fotoana ihany koa io hampatsiahivana ny mpiasa rehetra ny adidy miandry azy ireo.
« Fotoana hanentanana sy hikolokoloina hatrany ny toe-tsaina tia tanindrazana ny fotoana tahaka izao. Ampatsiahivina rahateo ny adidy isan’andro miandry ireo mpiasa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Asa fitiavan-tanindrazana sy fanompoana ny vahoaka no atao ato amin’ny Kaominina. Ny finiavana avy amin’ny tsirairay ary ny fanajana ny asa no tena zava-dehibe indrindra » hoy ny mpiasan’ny kaominina Ambohimangakely.
Tsy ny mpiasam-panjakana na ny orinasa ihany no tokony hanaja io sainam-pirenena io. Ny tsirairay mihitsy no tena tokony haneho fanajana sy fitiavan-tanindrazana.
Nicole Rafalimananjara
