Ambohimangakely: Hetsika maro no nentina nankalazana ny andron’ny 8 Martsa
Tao amin’ny fokontany Soamanandrariny no nanatontosana ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Hetsika maro no natao nentina nanamarika izany, izay notarihin’ny ben’ny tanàna sy ireo fikambanana mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina.
» Hetsika maro isan-karazany no nentina nankalazana ny andron’ny vehivavy teto amin’ny kaominina. Anisan’izany ny matso izay nandraisan’ireo vehivavy maro isam-pokontany sy isam-bondrona anjara, teo ihany koa ny fandokoana ny biraon’ny fokontany ary ny fanomezana vatsy ho an’ireo olona sahirana, tohan’aina ho an’ny vehivavy sy ny mpianatra » hoy ny avy amin’ny kaominina.
» Andro iray lehibe tokana ary manan-danja ny fotoana tahaka izao, hanomezana sehatra sy lanja ny vehivavy, indrindra ny fisitrahany ny zony. Miainga amin’ny fiaraha-mientana sy ny fanomezana fahefana hanatanteraka ireo adidy tandrify tahaka izao izany » hoy i Francine, mpikambana amin’ny fikambanam-behivavy ao Ambohimangakely.
Fanentanana ara-tsosialy maro ary fanadiovana moa no tena nanamarika ity andro iray ity tao an-toerana. Marihina fa niara-nanatontosa izany tamin’ny kaominina ny Association Soa, ny fikambanana MIFEM adventiste Soamanandrariny, ny sefo zap sy ny talen-tsekoly ary ireo vehivavy manerana ny fokontany tao an-toerana.
Manitra R.
