ActualitésTsidika

Alasora : Mitohy ny asa fanadiovana ataon’ny Kolotanana

Mitohy hatrany ny asa fanadiovana ataon’ny fikambanana Kolotanana, izay sampana miandraikitra sy misahana ny fanadiovana sy ny fahadiovana ao amin’ny kaominina Alasora. Ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ambatomalaza no natanterahan’izy ireo ny fanadiovana faobe.

« Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanadiovana ety amin’ny isam-pokontany ataon’ny fikambanana. Ary hisaorana ireo mpanadio avy eo anivon’ny kaominina amin’ny fiaraha-mientana amin’ny fanatontosana izany » hoy ireo amin’ny fikambanana Kolotanana.

« Andraikitra lehibe no sahanin’ny fikambanana amin’ny resaka fanadiovana ny ety ifotony izay. Fa ilaina ihany koa anefa mba hifanindran-dalana amin’izao ny fanentanana ny mponina hahay hitandro ny fahadiovana mba tsy ho very mandeha ny ezaka ataon’ny mpanadio » hoy i Christine, mponina ao amin’ny fokontany Ambatomalaza.

Miezaka ny hanatratra ny tanjona hatrany ny fikambanana Kolotanana, dia ny maha tanàna madio sy maha te honina an’Alasora. Ny fahadiovan’ny tanàna tokoa no taratra voalohany ahitana ny fandraisana andraikitra sy ny fandrosoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire