ActualitésTsidika

Fomba : Misy fomba fihidiny avokoa ny fasana rehetra

Velona iray trano, maty iray fasana. Hafa ihany izany manana hiafarana izany. Rehefa hanorina fasana dia ny toerany hasiana azy no jerena voalohany.

Toerana avoavo no mety mba tsy ho tratry ny rano izy. Jerena tsara koa ny tendrombohitra eo andrefany tsy handondona loatra sao mantsy ka malaky alina ka halaky ho maizina raha misokatra ny fasana. Kendrena ho tafiditra ao ny taratry ny masoandro rehefa mihilana ny andro mba hampahazava ny ati-fasana. Avy hatrany dia natao hoe fady ny mandevina raha tsy folaka ny andro, nefa sady ilay hazavana miditra no antony no sao ho voahitsaka ny razana sasany. Fahiny mantsy dia mbola nangonina tao ambany teo daholo ny razana. Nasiana famantarana fotsiny toy ny vilia na tavoahangy na zavatra tsy mety lo. Taty aoriana vao nasiana farafara sy nasiana rihina.

Tsy fiteny ny hoe « farafara » raha any an-trano fa « fandriana » no any, toy izany koa ny hoe « rihana » fa « ambatra » no filaza izany, « atany » ny ao ambany raha trano resahina. Ny vato atao farafara dia izay vatolampy mideza no hakana azy. Faritana ny habeny ka asiana tain’omby dia arehitra. Solon’ny « dynamite » io. Rehefa velesina ka somary migobaka ny vato dia azo poirina amizay. Tarihina avy eo ny vato.

Masiaka tokoa ny Ntaolo ka tsy azo atao tsinotsinona ny fasana.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire