Afrique : Zaza maherin’iray tapitrisa no vita vaksiny miady amin’ny tazomoka
Androany 25 aprily no andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tazomoko. Andro izay napetrakin’ny firenena mpikambana ao amin’ny OMS nandritra fivoriana’ny antenimiera iraisam-pirenena momba ny fahasalamanananomboka ny taona 2007. Fotoana iray ahafahana manasongadina ny filàna fampiasam-bola sy ny fanoloran-tena ara-politika maharitra amin’ny fisorohana sy ny fifehezana ny tazomoka ity andro ity.Eto Afrique kosa no tena maro lavon’ny tazomoka, ho an’ny taona 2019 dia nahafaty olona 400 000 izany izay zaza latsaky ny 5 taona ny roa ampahatelony. Efa nanao ezaka nefa ny OMS ka nahavita vaksiny zaza maherin’iray tapitrisa tao Ghana, Kenya ary Malawi raha ny tatitr’izy ireo ny herinandro lasa teo.
