ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Miantoka ny fampandrosoana ny fandoavan-ketra

Manentana hatrany ny mponina ao Talata Volondry ny kaominina amin’ny fahazotoana amin’ny fandoavan-ketra. Isan’ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana tokoa mantsy ny fandoavan-ketra.

« Miantoka ny fampandrosoana sy ahafahana manatanteraka foto-drafitr’asa ny fandoavan-ketra. Miantoka ihany koa ny fampandehanana ny raharahan’ny kaominina » hoy ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona. « Marika ahafantarana ny fandraisantsika andraikitra sy ny fizakana ny fananantsika toy ny trano, tany, orinasa ny fandoavan-ketra. Misokajy manaraka ny tombam-pananan’ny tsirairay izany » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.

Ny fandoavan-ketra ho fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ho an’ny tanàna sy ho an’ny taranaka rahatrizay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire