ActualitésTatitra

Comores : Ahoana ny fikarakarana « mtsolola » ?

Karazana lasopy ny « mtsolola ». Misy koa ny miantso azy hoe « mtsolole ». Azo hoanina amin’ny fotoana rehetra izany ao an-toerana, na fampiakaram-bady na fivoriam-pianakaviana.

Tsy toy ny lasopy rehetra ny « mtsolola », akondro maitso, mangahazo ary trondro na hena no akora fototra hita ao anatiny. Raha hanandro izany ho an’olona 4 dia akondro maitso valo no ilaina, mangahazo 3, trondro 1 (dorade, capitaine ..), voatabia 2, voabatia amin’ny kapoaka 3 sotro , tontogo 1, menaka oliva 2 sotro, dipoavatra, karia ary voasary makirana.

Voalohany indrindra dia diovina ny trondro, voasana ny akondro sy ny mangahazo ary tetehana. Tetehana miaraka ami’izay ihany koa ny tongolo sy voatabia.

Araraka ao anaty vilany ny menaka, arotsaka ny tongolo, asiana sira sy menaka, karia ary voatabia amin’ny kapoaka. Ampiana rano 4 vera ireo ary masahana mandritra ny minitra vitsvitsy.

Arotsaka ny akondro sy ny mangahazo aorian’izany, ampiana rano ary saromana. Avela ho masaka izany rehetra izany ary arahina maso matetika.

Arotsaka kosa ny trondro sy ny vosarimakirana rehefa masamasaka izany. Avela ambny afo minitra maromaro ny rehetra dia azo haroso.

Laisser un commentaire