Faritra Fitovinany : Asiam-panamboarana ny tetezan’i Manakara-Be
Isan’ny nahatonga ny fahasimban’ny tetezan’i Manakara-Be ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai. Efa vonona ao avokoa ankehitriny ireo fitaovana hanarenana ity tetezan’i Manakara-Be ity.
« Mirefy 152 metatra ny halavan’ny tetezan’i Manakara-Be. Efa vonona ao daholo ireo fitaovana entina hanamboarana izany. Efa nahazo baiko hanomboka ny asa ny Ordre de Service na ny OS. Miandry ny fidinan’ny rano kosa anefa ny orinasa vao afaka hanomboka izany » hoy ny filoha Andry Rajoelina. « Tsy maintsy hafainganina ny fanamboarana ity tetezana ity. Any Manakara, izay renivohitry ny Faritra Fitovinany, mantsy no hanatanterahana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, 8 Martsa » hoy ny tompon’andraiki-panjakana.
Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2011 no nahasimban’io tetezana ao Manakara-Be io. Antenaina fa ho vita tanteraka araka ny daty voalaza ity fotodrafitr’asa ity.
Nicole Rafalimananjara
