Japon : Sakafo lafo indrindra ny « oscheriyori »
Tsy natao ho an’ny olona rehetra ny fisakafoana any amin’ny toerana avo lenta. Misy vidin-tsakafo amin’ny toeram-pisakafoana samihafa no efa mahavonjy firenena iray.Sakafo nentin-drazana ao Japon ny « Osechi » raha ny tena marina, efa tany amin’ny vanim-potoan’ny Heian izy no nisy (794-1185). « Nimono » na legioma nampangotrahina tamin’ny « sauce soja » sy siramamy ary « mirin » ny « osechi » tany ampiandoana. Nivoatra nanaraka ny toetr’andro kosa izy ary lasa sakafo fihinana rehefa taom-baovao amin’ireo firenena tandrefana.Voasokajy ho sakafo amidy lafo indrindra maneran-tany izy ao amin’ny toeram-pisakafoana Takashimaya ao New-York izy. Mbola tsy nisy sakafo nahatratra ny vidiny satria 234 000 $ (935 000 000 Ar) be izao ny vidiny ao amin’io toeram-pisakafoana io. Legioma, « sushis » ary « sashimis » no fangaron’ny sakafo saingy ny fitoerana kosa no tena mahalafo azy satria vita amin’ny volamena milanja 3,3 kilao.
