ActualitésTsidika

Maevatanana : Efa misy ny ivon-toerana hanosehana ireo mpandraharaha

Vita hatramin’ny 90 % ny fanorenana ny ivon-toeram-pikotrehana orinasa misehatra amin’ny kolontsaina sy serasera ao Maevatanana, faritra Betsiboka. Eo am-pamaranana tanteraka ny asa ny tompon’andraikitra amin’izany ankehitriny.

« Natao hanosehana ireo tanora te hanangana orinasa amin’ny sehatry ny kolontsaina sy serasera, ny ivon-toerana tahaka izao. Kendrena ny hivelaran’ny tanora manan-talenta amin’ny sehatra matianina eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny Kolontsaina. « Misy torolalana sy torohay mifanaraka amin’izany omen’ny ivon-toerana. Hanosehana ny tanora ahafahany mivelona amin’ny talenta hananany » hoy hatrany izy ireo.

Faritra sivy eto Madagasikara no hametrahana izany. Miisa telo hatreto ny ivon-toeram-pikotrehana orinasa amin’ny sehatry ny kolontsaina efa misokatra sy amperin’asa, Toamasina, Antananarivo, Ihosy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire