ActualitésTsidika

Alasora: Hisy ny jiro maroloko eo an-tokontanin’ny kaominina

 Ho fanamarihana ny fankalazana ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona amin’ity taona 2022 ity, hisy ny fampirantiana ireo jiro maroloko eo an-tokontanin’ny kaominina Alasora, manomboka rahampitso sabotsy 10 Desambra.

“Mba hanomezana fahafa-po an’ny rehetra sy ho fiaraha-mifaly mandritra ireo fety izay hankalazaina tsy ho ela no nametrahana ireo jiro maroloko ireo” hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

“Hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fanomezana izao famalifaliana amin’ny fiomanana amin’ny fety izao. Hiara-hifaly sy hiara-hiala voly amin’ireo tapaka sy namana indray dia mba hanadino ireo olana andavan’andro” hoy I Fabrice, mponina ao Alasora.

Anisan’ny fety manan-danja amin’ny malagasy tokoa ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona. Samy manao izay mety tokoa amin’ireo fety ireo. Fotoana iray anisan’ny mampiala voly sy mahavarina ny rehetra ny fahitana ireo jiro mirehadrehatra amin’ny alina; ka izao ataolotry ny kaominina izao mba hanomezana fahafa-po ho an’ny rehetra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire