Maurice : Hanomboka ny 25 aogositra izao ny foara « Prêt-à-Partir »
Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 27 aogositra izao ao amin’ny SVICC (Centre de conférence Swami-Vivekananda) ny andiany faha-9 ny foara « Prêt-à-Partir ». Hetsika izany hanomezana vahana ny dia (voyage). Ny Events Plus no mikarakara izany, ary miara-miasa amin’izy ireo ny Air Mauritius, ny Défi Media Group ary ny Radio Plus.
Mpisera-dia, zotram-piaramanidina, masoivoho avy amin’ny firenena samihafa ary mpikarakara fitsangatsanganana an-dranomasina maro no hanolotra fihenam-bidy mandritra ny hetsika raha ny fanazavana. Isan’ireo handray anjara amin’ny hetsika ny Mauritius Tourism Promotion Authority (MTPA) izay mpiara miasa « gold », eo ihany koa ny Air Austral, Satguru Travel & Tours, Green Travel, VR Canada Immigration, Centre Sport Nautique Ltd, Saint Aubin Loisirs ary ireo mpisehatra maro amin’ny fikarakarana ny dia.
