RN2 : Fiara sprinter iray no niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Ambodibonara
Fiara sprinter iray no niaran’ny lozam-pifamoivoizana ny alatsinainy 22 aogositra 2022 lasa teo. Tao Ambalavoangy Ambodibonara, amin’ny lalam-pirenena faharoa iny no nisehoan’ny loza.
Noho ny fandehanana mafy moa no nahatonga izao loza izao, nandeha mafy no sady niala fiara iray nifanena tao anaty fiholanana ilay mpamily hany ka niafara tamin’ny fifadihan’ny fiara. Marihina moa fa nitondra ny mpikamban’ny STK FJKM Imeritsiafindra Filadelfia Ambohimanga Rova ho any Toamasina, hamonjy « championnat de Madagascar » an’ny FJKM amin’ny lalao tsipy kanetybe ity fiara ity, raha ny fantatra noho izy ireo tompon-daka tao amin’ny synodam-parintany Antananarivo Avaradrano. Olona iray no naratra ary tsy nisy ny aina nahafoy raha potika tanyeraka kosa ny fiara nitondra tamin’izany. Raha ny fampitam-baovao voalazan’ireo nanatrika teny an-toerana dia efa tonga ao Toamasina soa aman-tsara ireo mpandeha rehefa nahazo fiara hafa nitondra ary efa nahazo fitsaboana ihany koa ilay naratra.
Mila mitandrina hatrany manoalana ny toe-java misy toy izao.
Famenontsoa Rajerison
