ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nampahafantarina ny mponina ny mahakasika ny « asa tanamaron’ny fandriam-pahalemana »

Nandritra ny fivoriam-pokonolona faobe, izay notontosaina tao amin’ny fokontany Gara, kaominina Ambohimanambola, tamin’ny alahady lasa teo, no nampahafantaran’ny avy ao amin’ny zandarimaria ao an-toerana ny mahakasika ny asa tanamaron’ny fandriam-pahalemana. Nanatanteraka ary tonga nampahafantatra izany ny avy ao amin’ny zandary, ny avy ao amin’ny kaominina ary ny sefo fokontany tao an-toerana.

« Manoloana ny trangana tsy fahandriam-pahalemana tato ho ato, ato amin’ny fokontany dia hisy ny tanamaron’ny fandriampahalemana, izay fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka eny ifotony. Efa misy an’io hetsika io avokoa ny ankamaroan’ireo fokotany ato anatin’ny kaominina ka anisan’ny tokony hisitraka sy hanatanterahana izany ihany koa ny fokontany Ambohimanambola gara » hoy ny avy ao amin’ny zandarimaria.

« Isaorana ny zandary nitondra ny fampahafantarana. Efa maro loatra tokoa ny trangana tsy fahandriam-pahalemana nisy tety an-tanàna, mino aho fa hisinda ary hampihena ny trangana tsy fandriam-pahalemana izao fampahafantarana izao » hoy i Rajo, mponina ao Ambohimanambola.

Zava-dehibe tokoa ny fampahafantarana ireo mponina ny hetsika tahaka izao. Anisan’ny misarika azy ireo amin’ny fandraisana andraikitra izany ary mampandray anjara amin’ny filaminana eny ifotony.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire