Fanatanjahan-tena: Tompon-dankan’ny Madagasikara amin’ny lalao “volley” ny ASI sy ny GNVB
Dépêche 08 novembre, 12h, Natao tao amin’ny Kianjan’ny Mahamasina ny 29 oktobra ka hatramin’ny 5 novambra teo ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Madagasikara tamin’ny lalao “volley U23”. Nisalotra ny anaram-boninahitra ho tompon-daka ny ASI na ny Akany Sambatra Itaosy ho an’ny sokajy lehilahy raha ny GNVB na ny avy ao amin’ny Zandarimaria kosa raha ny sokajy vehivavy. Nitondra ny lalao hatrany ny avy any Atsimo Atsinanana raha ny teo amin’ny lehilahy saingy resin’ny ASI kosa izy ireo tamin’ny “sets” roa farany nifanesy. Nanjakan’ny GNVB hatrany kosa ny kianja raha ny teo amin’ny vehivavy no resahaina izay nifanandrinany tamin’ny CCVB Analamanga. Ekipa miisa 18 no nandrafitra ny lalao rehetra hatrany amboalohany.
