Etats-Unis : Nodimandry i Madeleine Albright
Madeleine Albright no vehivavy sekreteram-panjakana voalohany tao Etats-Unis. Nodimandry teo amin’ny 84 taonany noho ny homamiadana ny tenany. Ny fianakaviany no nampilaza ny vaovao tao anaty fanambarana izay nisy fampatsiahivana fa olona niady mafy tamin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny zon’olombelona i Madeleine Albright.Teraka ny 15 Mai 1937 i Madeleine Albright. Avy amin’ny fianakaviana jiosy izy ary zanaka diplomaty ka niharan’ny sesitany tao Londres taorian’ny nibodoan’i Hitler an’i Tchécoslovaquie tamin’ny taona 1938. Teo amin’ny faha 11 taonany izy sy ny fianakaviany no nifindra-monina tao Etats-unis. Nianatra mafy izy ary lasa ambasadoran’i Etats-unis tao amin’ny ONU ny taona 1993 hatramin’ny taona 1997. Efa lehiben’ny diplomasia tamin’ny fitondran’ny filoha demokratika Bill Clinton ny taona 1997 hatramin’ny taona 2001.
