ActualitésTatitra

Roumanie : Miaramila frantsay iray no hita faty tao anaty efitra hotely iray

Manatontosa iraka ao Roumanie i Paris manoloana ny fanafihan’i Russie an’i Ukraine. Miaramila maro no nalefa ao an-toerana hanamafy ny fiarovana ny ilany atsinanan’ny OTAN.

Ny 6 novambra teo nefa dia miaramila frantsay iray 41 taona no hita faty tao amin’ny efitra hotely iray tao Bucarest. Ny vehivavy mpikarakara ny efitra no nahita ny razana ny 6 novambra teo. Arakin’ny tatitrin’ny manam-pahefana dia tsy nahitana endrika fanafihana tao amin’ny efitra kanefa notsatohana hety tao amin’ny tendany ilay miaramila.

Ny alakamisy teo no niditra tao amin’io hotely nahafaty azy io niaraka tamin’ireo miaramila namany hafa io miaramila namoy ny ainy io. Tokony nijanona tao amin’izany toerana izany hatramin’ny volana janoary 2023 izy ireo. Efa manadihady kosa ireo manam-pahefana.

Laisser un commentaire