ActualitésTsidika

Alasora : Hahazo solombodiakoho ireo zokiolona

Hisy ny fizarana solombodiakoho ho an’ireo zokiolona ao Alasora amin’ny 23 jona 2022. Efa samy manana ny fandaharam-potoanany avy ny fokontany tsirairay.

« Misy ny fandaharam-potoana napetraka mandritra ny fizarana io solombodiakoho io. Marihina fa ireo izay efa nisoratra anarana ihany no hisitraka izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tsara raha mitondra karapanondro sy ilay tapakila mandritra io fizarana io. Eny amin’ny biraom-pokontany isika no manatona raha mila fanazavana fanampiny » hoy hatrany izy ireo.

Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny fetim-pirenena ity fizarana solombodiakoho ho an’ny zokiolona ity. Fotoana ahatsiarovana azy ireo tokoa mantsy izany noho izy ireo manana ny lanjany eto amin’ny firenena.

Laisser un commentaire