ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nisitraka ny jiro ho an’ny daholo be ny mponina ao amin’ny fokontany Manjaka

Tonga ao amin’ny fokontany Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, ny hazavana. Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny fametrahana ireo jiro, mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro,tao an-toerana.

« Ho fanamafisana hatrany ny fandriam-pahalemana sy ho fitsinjovana ireo voatery mody alina dia mitohy ny fametrahana ny jiro amin’ireo lalana ifamezivezen’ny daholo ato anatin’ny kaominina. Tamin’ity manaraka ity dia ny fokontany Manjaka indray no nisitraka izany » hoy ny tomponandraikitra.

« HIta taratra ny fiovana rehefa tonga teto an-toerana ny hazavana. Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka satria efa ela no niandry izany ny mponina » hoy i Faly, mponina ao Manjaka.

Anisan’ny manao ezaka amin’ny fampivoarana ny isam-pokontany ny kaominina Ankadikely Ilafy, indrindra amin’ny fampisitrahana ireo fitaovana sy kojakoja tsy afa-misaraka amin’ny andavan’andro. Ilaina

Laisser un commentaire