ActualitésTatitra

Sumatra : Arum titan, voninkazo lehibe indrindra

Karazana voninkazo ao amin’ny fianakavian’ny « Aracée » ny « Arum titan » omena ny anarana siantifika hoe « Amorphophallus titanum ». Izy no zava-maniry manana felana avo indrindra aorian’ny « tallipot » izay mahatratra telo metatra mahery.

Tao Bukit Barisan no nahitana io voninkazo io voalohany tany amin’ny 5 septambra 1878. Lehilahy mahay manokana ny zava-maniry antsoina hoe Odoardo Beccari, avy ao Italie no nahita azy. Voninkazo arovana ao Sumatra izy io izay mamelana eo anelanelan’ny volana oktobra sy martsa.

Rehefa tonga izany fotoana izany dia mamoaka fofona ratsy io voninkazo io, antony iantsoana azy hoe « fleur de cadavre » izany. Rehefa amin’io vanim-potoana io mantsy dia mamoaka fofoana hena simba io voninkazo io hisarihany bibikely.

Laisser un commentaire