Culture

Imerina : Fomba fanao teto Imerina ny Valabe sy ny lapabe

Isan’ny fomba tranainy indrindra fanao tteo Imerina ny Valabe sy ny Lapabe. Fomba hafakely izay nifantoka tamin’ny fanaovana firaisana ara-nofo faobe. Firaisana amin’ny samy mpihavana, firaisana amin’ny samy mpiaramonina sy mpiray vodirindrina ary mpiray vohitra. Tsy misy olom-pady intsony mandritra izany.

« Fomba nolovain’ny Merina avy ao Inde ity Lapabe sy Valabe ity. Mbola maro ny manao io fomba io amin’izao fotoana izao. Efa nitsahatra tanteraka kosa izany teto Imerina » hoy ny fikarohana nataon’ny Akademisianina. Rehefa andro fandroana dia misy ny atao hoe « Fo tsy aritra » sy « Andro tsy maty ». Mandritra izany no anatanterahana ny valabe. Amin’io andro tsy maty io dia samy manao izay tiany ny olona, malalaka amin’izay ataony afa-tsy ny mandika ny lalam-panjakana maha meloka ihany.

Mahazo mandeha manao firaisana any amin’izay olona tiany anaovana ny rehetra. Ny havan’andriana mahazo mandeha any amin’ny hova, ny hova mahazo mandeha any amin’ny andriana hatramin’ny andevo. Misy amin’ireo olona aza ny mandeha maromaro ary afaka mifanakalo arak’izay tiany. Tsy nisy henatra mihitsy tamin’izany fa natao tao anaty fahalalan-tsaina tanteraka.

 Ny lapabe indray dia saika ny andriana no tena manao azy. Ny samy mpihavana sy mpianakavy no miray hefitra manatanteraka izany. Amin’ny andriana dia tsy mba ny tarehy loatra no itiavana olona iray. Ny razana itoviana sy itambarana no tena zava-dehibe.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire