Bolivie : Hankalaza ny fetim-pireneny ny 6 aogositra izao
Firenena amin’ny faritanin’i Amérique du Sud i Bolivie. Miray sisintany amin’i Brésil izy avy ao avaratra atsinanana, amin’i Paraguay any atsimo atsinanana, amin’ny Argentine ao atsimo amin’ny Chili ao atsimo andrefana ary amin’i Pérou ao andrefana-avaratra andrefana.
Talohan’ny nanjanahan’i Europe azy dia faritanin’ny Empire Inca i Bolivie izay fanjakana lehibe indrindran’ny Amérique précolombienne. Nobodoan’ny Empire Espagnol io faritra io tamin’ny taonjato faha-16. Nandritra izany fanjanahana izany dia « le Haut-Pérou » na « Charcas » no niantsoana ny toerana.
Nanomboka ny taona 1809 kosa ny ady nitakian’i République de Bolivie ny fahaleovantenany. Naharitra 16 taona ny ady tao anatin’izany ary ny 6 aogositra 1825 izy ireo vao nahazo ny fahaleovantenany.
