ActualitésTsidika

Talata volonondry : Nanatanteraka asa fanadiovana ny fikambanam-behivavy

Nanatanteraka asa fanadiovana ny tranom-pokonolona ireo avy amin’ny fikambanam-behivavy, tao amin’ny kaominina Talata volonondry, ny faran’ny herinandro lasa teo. Maro ireo vehivay no tonga namaly ny antso, ary nifarimbona tamin’ny fanatanterahana izany, raha ny voalaza.

« Ilaina ny fanatanterahana ny hetsika tahaka izao, indrindra mba ho fiomanana amin’ireo fety amin’ny famaranana ity taona ity. Zava-dehibe ny fahadiovana ka rariny raha mifanentana amin’izany ny rehetra » hoy i Holy, avy ao amin’ny fikambanana.

« Ho tombontsoan’ny rehetra no hanaovana ny hetsika fanadiovana tahaka izao; tsy izany ihany anefa fa mba ho fampandraisana anjara ny rehetra ihany koa mba samy hikajy ny fahadiovana » hoy i Tiavina, mponina ao Talata volonondry.

Ilaina hatrany ny fifanentanana amin’ny fanadiovana. Mbola ao anatin’ny fankalazana ireo fety famaranana ny taona tokoa isika ka tokony samy hiezaka amin’ny fitandroana izany, ary tsy tokony hiandry ny hafa hatrany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire