Belgique : Olona telo no naratra noho ny tsatok’antsy amin’ny fiantsona métro iray
Nisehoana trangan’herisetra nitam-piandiana tao amin’ny fiantsonana métro Schuman tao Bruxelles ny alatsinainy tolak’andro teo. Olona telo no voatsatok’antsy nandritra izany raha ny fanazavan’ny manam-pahefana. Naratra mafy ny iray tamin’ireo ary ahiana ny ainy amin’izao fotoana raha ny fanamafisan’izy ireo.
Nilaza kosa ny ben’ny tananan’i Bruxelles fa efa voasambotra io olona nitarika ny fitsatohan’antsy io. Fiaraha-miasan’ny sampan-draharaha maromaro teo anivon’ny polisy hoy izy no nahafahana niasa haingana. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny anton’io fitsatoan’antsy tamin’ny andro mazava io saingy efa manadihady ireo tompon’andraikitra.
