Institut IISS : Misokatra ny fandraisana mpianatra ao amin’ny ivon-toerana
Misokatra ary mitohy mandritra ity volana janoary ity ny fandraisana mpianatra ao amin’ny toeram-pampiofanana IISS (Institut International des Sciences Sociales) ho an’ity taom-pianarana 2022-2023 ity. Maro ireo sampam-piofanana izay hatolotry ny ivon-toerana, izay mifototra amin’ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny fiaraha-monina indrindra indrindra.
« Manomboka ny 9 Janoary 2023 izao ny fisoratana anarana sy fandraisana ireo mpianatra ato amin’ny IISS Antananarivo. Maro ireo fiofanana izay hatolotry ny ivon-toerana ary efa nahafantarana azy hatramin’izay dia ny Communication et société, ny sciences économiques, Management de projet, Hygiène – Sécurité – Environnement et technologie ary ny MBA Finance » hoy i Liva Razanajafy, tompon’andraiktra ao amin’ny ivon-toerana.
« Anisan’ny mampiavaka ny IISS, izahay dia manolotra vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika nandritra ny taom-piofanana. Ankoatra izay, misy ihany koa ny fitsapam-pahaizana na ny test d’entrée ho an’ireo mpianatra izay hanaraka fiofanana ato amin’ny ivon-toerana » hoy hatrany ny tompon’andraiktra.
Araka izany, manomboka ny 9 janoary izao ny fandraisana ireo mpianatra izay maniry ny hanaraka fiofanana ao amin’ny IISS, ka hiatrika ny fitsapam-pahaizana, ary hifarana ny 20 janoary izany. Eny amin’ny immeuble La Vallée Antsakaviro, box n°2 no hanatanterahana izany. Ny 31 janoary ka hatramin’ny 02 febroary kosa no fanoratana ny anarana farany ho an’ny taom-pianarana.
Manitra Ramanantsoa
