ActualitésTatitra

Inde : Maherin’ny 45 000 ny tranga « Champignon noir »

Naharakitra trangana « champignon noir » maherin’ny 45 000 i Inde tao anatin’ny roa volana farany. Izany no tena isan’ny nahafaty ny 50% amin’ireo mararin’ny COVID-19 any an-toerana. Maherin’ny 4 200 ny olona matin’ny mucormycose, sy ny aretina tsy dia fahita kanefa tena mandripaka ireo mararin’ny covid any Inde. Mahafaty hataramin’ny 50% ity aretina ity izay tsy maintsy mandala fandidiana eo amin’ny maso, orona, saoka mba tsy hahasimba avy hatrany ny atidoha ny fitsaboana azy. Nilaza ny governemanta any an-toerana fa ny firenena Maharashtra any andrefan’I inde no tena voakasik’ity aretina ity satria misy tranga miisa 9 348. 20 ny trangan’izany tany Inde talohan’izao valan’aretina izao ary ireo be tahan’ny siramamy ao anatin’ny ra ihany no tena voa. Izao anefa dia nahitana fiakarany be tokoa izany aretina izany indrindra mora voa ireo mararin’ny COVID.

Laisser un commentaire