La Réunion: Tsy maintsy manao vaksiny ireo mpamonjy voina
Tsy maintsy manao vaksiny hiarovana amin’ny COVID-19 ny mpamonjy voina. Tahaka ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny tafika ao La Réunion dia tsy maintsy manao vaksiny ihany koa ny tafikin’ny afo hatramin’ny 15 septambra ho avy izao raha tsy izany dia misy ny sazy ho an’izay tsy manao izany. Efa tafiditra ao anatin’ny tafikin’ny afo rahateo ny mpamonjy voina na tsy niteny manokana mikasika ireo mpamonjy voina aza ny filoha. Misy ireo mpamonjy voina tsy mankasitraka loatra izao satria tsy manana fahafahana ve izany hoy ny sasany. Na izany aza anefa tsy hoe manda sy manohitra ny fanaovam-baksiny izy ireo. Tsy mbola misy hatreto ny fihetsiketsehana nataon’ny pompier, tsy tahaka ny an’ireo mpitsabo izay nitokona taorian’ny filazana nataon’I Emmanuel Macron.
