ActualitésTsidika

Norvège : Mangataka adihevitra mahakasika ny « extrémisme » ireo sisa velona nandritra ny fanafihana tamin’ny 22 jolay 2011

Nahafatesana olona 77 ary nandratrana olona an-jatony ny fanafihana roa nitranga tao Oslo sy tao amin’ny nosy Utøya ny 22 jolay 2011. Voapanga manao sary niaram-boina foana nefa ireo « jeunes travaillistes (Arbeidaranes Ungdomsfylking en nynorsk) » sisa velona tamin’izany isaky ny mangataka fifanakalozan-kevitra mahakasika io fanafihana io.Folo taona taorian’ny fanafihana nataon’ny « l’extrémiste de droite » Anders Behring Breivik tao Norvège ny 22 jolay 2011 io dia tsy afaka ny hanatanteraka ny fanomezam-boninahitra nasionaly amin’ny fahatsiarovana ireo olona 77 maty ireo ny fianakaviana sy ny sisa velona tamin’io tranga io. Mbola tsy vita akory ny tsangam-bato fahatsiarovana eo amin’ny seranan-tsambo mifanandrify amin’ny nosy Utoya, 40 kilometatra miala an’i Oslo. »Henatra ny tsy fananaovana fatsiarovana ho an’ity tranga ity, folo taona aty aoriana ve dia tsy misy izany nefa nahafaty olona betsaka indrindra tao Norvège tao aorian’ny tamin’ny Ady Lehibe Faharoa izany » hoy ny filohan’ny AUF nanomboka ny desambra 2020, Astrid Hoem.

Laisser un commentaire