Afrique du Sud: Trano fivarotam-panafody ravan’ny korotana
Fivarotan-tsakafo na hafa maro no simba sy rava tanteraka na may mihitsy tamin’ny herinandro lasa teo noho ny korotana nisy tany Afrique du Sud vokatrin’ny hetsika tsy fanekena ny annagadrana ilay filoha teo aloha, Jacob Zuma tao amin’ny farintany roa tany Afrique du Sud, Kwazulu sy Gauteng. Isan’ny nitaraina vokatrin’ny fahasimbana ilay lehilahy avy any Maurice, Rajendraparsad Hurchund, manana trano fivarotam-panafody ao Durban izay niharan’ny fanakorotanana. Nilaza ity tompona farmasia ity fa manodidina ny Rs 3 tapitrisa ny fahasimbana ary tena faty antoka ho azy izao. Efa nanomboka ny 1990 I Rajendraparsad Hurhund ary nianatra mikasika ny farmasia izy ka efa-taona aty aoriana no nanokafany farmasia azy manokana. Ity ny fidiram-bolany kanefa izao simba izao indray.
