ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Mety ho i Rishi Sunak no haka ny toeran’i Boris Johnson

Iray tamin’ireo kandida roa nitarika tamin’ny fihodinana voalohany, tamin’ny fifidianana praiminisitra hanolo an’i Boris Johnson i Rishi Sunak. Mpikambana ao amin’ny antoko Conservative Party ihany koa izy, ary « chancelier de l’Échiquier » (minisitry ny fitantanam-bola sy ny tahirim-bola) tao Royaume-Uni ny 13 febroary 2020 hatramin’ny 5 jolay 2022.

Teraka ny 12 mey 1980 tao Southampton, Hampshire i Rishi Sunak. Avy ao Pendjab, avaratra andrefan’i Inde kosa ny fianakaviany. Ny taona 1960 izy ireo nifindra monina tao Royaume-Uni.

Nianatra tao Winchester College sy Lincoln College ny oniversiten’i Oxford ny tenany. Nianatra filozofia, politika ary toekarena izy ary nahazo mari-pahaizana momba ny fitantanan-draharaha tao amin’ny oniversiten’i Stanford (Californie).

Efa nisahana andraikitra maro ara-panjakana i Rishi Sunak. Nianga tamin’ny toeran’ny depioten’ny fivondronan’i Richmond izy ny taona 2015 ary voafidy indray ny taona 2017. Ny taona 2018 hatramin’ny 2019 kosa izy dia lasa sekretera lefitry ny parlemanta ary niakatra lehiben’ny sekreteran’ny tahirim-bola tao amin’ny governemantan’i Boris Johnson ny 24 jolay 2019 ary nisondrotra toerana hatrany.

Laisser un commentaire