La Réunion : Tonga any an-toerana i Camille Lacourt
Tonga tany La Réunion omaly ilay tompon-daka maneran-tany taloha, Camille Lacourt. Tonga hanatrika ny « Fashion Réunion » 2021 izy satria isan’ny mpanohana io hetsika maneran-tany io. Tompon-dakan’ny lomano taloha i Camille Lacourt ary nilaza izy fa voninahitra ho azy izao fahatongany ao La Réunion izao. « Afaka mankafy tsara ny hakanton’ity nosy ity aho amin’izao mandritra ny herinandro vitsivitsy ary faly ihany koa fa isan’ny masoivohon’ny Fashion Réunion » hoy izy teo am-pahatongavana ny marainan’ny alakamisy teo tany amin’ny seranam-piaramanidina Roland Garros. Ny « fashion Réunion » dia karakarain’ny « Miss Agency Organisation » izay tokony natao ny volana aprily lasa teo ary nahemotra ny sabotsy 24 jolay teo indray.
