ActualitésSportTsidika

Alasora: Voka-dalao tournoi du maire 2023

Nizotra am-pilaminana ny fifaninanana lalao baolina kitra, tournoi du maire 2023, teny amin’ny kianja Est Mahazoarivo, ny alahady 30 jolay teo. Mitohy hatrany ny fifaninanana baolina kitra ity raha ny voalaza.

“Mahakasika ny voka-dalao ho an’ny faran’ny herinandro teo, ny ekipan’Ambodivondava nandresy ny fokontany Sud Ambohipo tamin’ny isan efatra noho iray. Ny fokontany Mahitsy kosa nandresy ny fokontany Ambodivoanjo tamin’ny salan’isa efetra no telo ary nisaraka tamin’ny forfait kosa ny fokontany Mendrikolovana sy Ambohitromby” hoy ireo mpikarakara ny lalao.

“Nahafinaritra ny lalao, samy naneho ny fahaiza-milalaony avokoa ny ekipa rehetra ary hita tokoa fa efa tena mivoatra ity taranja ara-panatanjahantena iray ity hatramin’ny nandraisana an-tanana izany. Hisaorana ny tomponandraikitra” hoy i Fidy, mpitia baolina kitra.

Mitohy hatrany ny fandaharan-dalao ho an’ity tournoi du Maire 2023 ity ho an’ny kaominina Alasora.

Manitra R.

Laisser un commentaire