ActualitésTatitra

Etats-Unis: Zaza 10 volana no matin’ny hafanana tao anaty fiara

Vehivavy mpikarakara zaza iray antsoina hoe Rhonda Jewell no nandino zaza 10 volana tao anaty fiarany tao Floride. Marihana fa isan’ireo toerana voakasiky ny onjan’hafanana i Floride ary nahatratra 35°C ny hafanana tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga. Manoloana izany dia namoy ny ainy noho ny hafanana ilay zaza.

Raha ny fanazavana dia nalain’i Rhonda Jewell tao an-tranony ilay zaza 10 volana ary nentiny tany amin’ny tokantrano iray nisy zaza hafa niambenany ihany koa. Rehefa tonga tao amin’izany toerana izany nefa ny tenany dia adinony tao anaty fiara ilay zaza ary tamin’ny fotoana nakàn’ny renin’ilay zaza azy, 5 ora taty aoriana vao nahatsiaro i Rhonda Jewell.

Avy hatrany dia nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ilay zaza saingy tsy tana ny aina. Manoloana ny tranga kosa dia nosamborina ilay mpikarakara zaza, 46 taona noho ny famonoana olona tsy nahy sy tsy firarahiana (negligence).

Laisser un commentaire