Fifamoivoizana : Tezitra manoloana ilay kilalao ataon’ny mpandeha ny mpamily
Tezitra manoloana ilay kilalao ataon’ny mpandeha ny mpamily fiara mpitatitra eto Antananarivo. Mody misakana fiara ny olona roa, manao toy ny hoe hitaingina fiara ireny, kanefa mifampibaby avy eo, izay ilay kilalao ataon’ny tanora amin’izao.
« Asa fitadiavanay io tompoko ary hamelomanay ny vady aman-janakay, fa tsy kilalao akory, ka aoka ho atsahatra tsy misy hatak’andro izany » hoy i Henri, mpamily. « Izahay anie tsy isan’andro akory no manao izao fa indraindray ihany, fa ianareo kosa sy ny ataonareo aminay mpandeha mila ho isan’andro. Izahay miharitra ny vodihazo sy ny tapa-dalana rehetra ity tsy tsapanareo mihitsy » hoy i Faly, mpandeha ary isan’ireo efa nanao ity lalao ity.
« Tsy hita izay omen-tsiny satria mety izao no endrika fitokonana ataon’ny mpandeha, kanefa kosa tokony samy hahay hifanaja ny roa tonta dia milamina io : ny mpamily manaja ny mpandeha ; ary ny mpandeha manaja ny mpamily » hoy i Laza, mpahay fiarahamonina. Ny fifanjana tokoa no tsy ampy eto amintsika, satria raha samy mahay mifanaja isika dia tsy hisy ny disadisa sy ny fanaovana tsinotsinona ka hilamina ny tany.
Tokony samy hanajanona ny tsy mety ataony na ny mpamily na ny mpandeha. Izany rahateo no marika hanajana ny asa. Hanao ahoana ny tohiny ?
Nicole Rafalimananjara
