Mampidi-doza ny fanariana ny fako avy amin’ny fitsaboana
Ao anatin’ny vanim-potoana mampanjaka ny fitsaboana ny firenena rehetra amin’izao fa indrindra ihany koa ny eto Madagasikara. Hita miparitaka eran’ny tanàna anefa araka izany ny fako amin’ny fitsaboana indrindra ny arovava orona. Mampidi-doza ny fiparitahan’izy ireny satria sady mandoto ny tontolo iainana izany no manaparitaka ny aretina noho ny tsy fahafantarana izay nampiasa azy. Tokony ho tonga saina amin’izany ny olom-pirenena tsirairay satria samy tompon’andraikitra amin’ny fahasalamantsika ihany isika. Koa amin’izany indrindra no hanentanan’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ny mba hanariana azy ireny amin’ny toerana natokana ho amin’izany fa tsy hanakambana izany amin’ny fako mahazatra antsika isan’andro. Tsy tokony hanarinary ny fitaovana ara-pahasalamana ihany koa arak’izany. Tsy hay izay handray ny fako ka mora hiparitaka ny aretina. Eo ihany koa ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Amin’izao vanim-potoanan’ny aretina izao indrindra mantsy no mihamaro ireny fitaovana ireny. Aoka ho saro-piaro manoloana izany isika satria sady miaro ny hafa izany no miaro ny tena ihany koa anatin’izao valan’aretina izao.
Nicole RAFALIMANANJARA
