ActualitésTsidika

Antsirabe : Nahazo CEG vaovao i Mahazoarivo

Isan’ny mahatonga ny ankizy hitsoaka an-daharana any an-tsekoly ny tsy fahampian’ny fotodrafitr’asa, ka maro ireo ankizy mijanona rehefa manana fari-pahaiazana CEPE. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny CEG iray ao Mahazoarivo Antsirabe, fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Vakinankaratra.Ity fotodrafitr’asa vaovao ity dia ahitana efitrano fianarana miisa 24, dabilio, trano fivoahana, kianjan’ny baolina kitra. Mahazaka mpianatra miisa 1200 izy io. « Tsy ampy ny sekoly CEG ao Antsirabe renivohitra. Raha miisa 53 ny sekoly EPP dia miisa 5 monja ny CEG, ka maro ny ankizy no mitsoaka andaharana rehefa afaka CEPE » hoy ny tompon’andraiki-panjakana tonga tany an-toerana. « Mila hatsaraina hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara satria io sisa no vahaolana eto amintsika ialàna amin’izao fahantrana izao » hoy i Lanto, ray aman-drenin’ny mpianatra any Mahazoarivo. »Tena olana eto amintsika mihitsy ny resaka fianarana, kanefa zon’ny olom-pirenena iray ny misitraka fampianarana maimaimpoana ao anatin’ny fireneny. Mbola firenena mahantra anefa isika ka maro ny zo tsy voahaja » hoy i Fanja, manam-pahaizana mikasika ny zon’olombelona.Tena ilaina tokoa ny fanampiana ny fotodrafitr’asa eto amintsika mba hanomezana lanja ny fanabeazana sy hampiakarana ny kalitao. Irariana mba tsy hijanona hatreo ny ezaka fa hitohy manerana ny kaominina rehetra izay tokony hisy na dia CEG sy lycée iray avy aza.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire