ActualitésTsidika

Ankadiefajoro Anjeva : Mandeha ny fanadiovana ny lakan-drano fa efa ho avy ny orana

Miroso amin’ny asa tagnamaro amin’ny fanadiovana ny lakan-drano iatrehana ny taom-pahavaratra sy ho fanomezana asa ny mponina ny ao amin’ny Fokontany Ankadiefajoro Anjeva Gara. Tsy miasa maina mantsy ireo fokonolona fa mahazo karama isan’olona isan’andro mandritra ny 15 andro izay olona miisa 100. »5000 ariary isan’andro isakin’ny olona no omena azy ireo ary hita fa tena mavitrika sy manao tsara ny asany izy ireo ka hantenaina hitondra fahadiovan’ny tanàna hatrany izany » hoy ny avy eo amin’ny GIZ, izay mamatsy vola izao tetik’asa fanadiovana tata-drano izao. « Tena mety mihitsy ny tahaka izao satria sady mahazo vola izahay no madio ny tanananay, ary irariana hitohy hatrany amin’ny fokontany hafa indray eto amin’ny kaominina » hoy i Haja, mponina ao Anjeva.Efa tena ao anatin’ny taom-pahavaratra hatrany isika izao, na dia somary miato kely aza ny orana. Na izany aza anefa tsara foana ny miomana hatrany fa tsy rehefa tonga ny orana vao hikoropaka. Tsy miandry fotoana mantsy ny fampandrosoana fa miankina amin’ny atao anio ihany ny hoavy rahatrizay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire