ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nanolotra 1,2 miliara dollars hiadiana amin’ny lefakozatra ny Gates Foundation

Nandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fahasalamana tao Berlin ny 16 oktobra dia nanome toky ny Bill sy Melinda Gates Foundation fa hampiasa vola 1 200 tapitrisa dollars amin’ny ady amin’ny lefakozatra. Nilaza i Bill Gates nandritra ny fandraisam-pitenenany fa azo fongorana ny lefakozatra na dia mbola mandrahona aza.

Ampiasaina amin’ny fiadiana amin’ny lefakozatra eran’izao tontolo izao io vola avy amin’ny Gates Foundation io. Harotsaka mivantana amin’ny IMEP (Initiative mondiale pour l’éradication de la poliomyélite) izany. Nanomboka ny 1988 no nisy io fikambanana io izay nahavita nanena ny trangana lefakozatra 99% tamin’ny firenena maro eran’izao tontolo izao ary nisoroka trangana « paralysie » 20 tapitrisa.

Laisser un commentaire