Poa-basy tamin’ny andro atoandro tao Ambatondrazaka
Nandrenesana poa-basy nirefodrefotra tao Tanambao Ambatondrazaka. Nisy fifanenjehana mihitsy tao an-toerana araka ireo nanatri-maso. Raha ny fanazavana azo dia nahazo vaovao ny mpitandron’ny filaminana fa misy trano iray manafy jiolahy tao an-toerana. Antony nandehanan’izy ireo teny ifotony izany. Vao nahatazan-davitra fotsiny anefa ireo voarohirohy dia nilefa. Nitarika ny fanapohan’ny mpitandro ny filaminana basy izany saingy tsy mbola nety ijanonana ireo nitsaoka ireo, nanoy ny diany tanaty ala sy lobolobo ary fasana.
Ireo mpitandro ny filaminana nahoy ny fisavàna tao amin’ny trano kosa dia nahita entana samihafa sy fanamiana miaramila isan-karazany. Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ity raharaha ity ankehitriny ary hatreto dia tsy mbola nisy ny voasambotra.
Hasina Rasamimanana
