ActualitésTatitra

Chine : Masomboly « orchidée » andramana ambolena eny amin’ny habakabaka

Manodidina ny 30 g eo ny masombolin’ny « orchidée » an’i Nanjing no nentina tnay amin’ny habakabaka mba hanandramana raha mety haniry izy ny alakamisy 17 jona teo. Mpahay habakabaka sinoa miisa telo no nandeha tamin’ny sambondanitra no nandefa izany. Eny amin’ny habakabaka ireto masomboly ireto mandritra ny telo volana be izao. Ny fitambarana orchidée mena sy hongcao izay manana tahony somary mena no tena mampiavaka ny orchidée an’i Nanjing ao amin’ny faritanin’i Fujian. Ny ivon-toeram-pikaroahana ho an’ny siantsa sy ny hairaha mihitsy no nisafidy ity masomboly ity. Entina hanatsarana ny Indostrian’ny fambolena no tanjona amin’izao satria sady isan’ny kalitao tsara ity orchidée novolena teny an-habakabaka ity. I Feng Xiaojie no isan’ny nandray anjara tamin’izao hevitra hafakely izao.

Laisser un commentaire