Adina ara-panatanjahan-tena bakalorea : Mbola manjavozavo ny fanatanterahana azy.
Mitohy hatrany ny fianarana ho an’ireo mpianatra hanala fanadim-panjakana ao anatin’ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Ho an’ireo mpanala fanadinana BEPC, efa tapaka fa ho atao an-tsoratra ny adina ara-panatanjahan-tena fa ho an’ireo hanala bakalorea kosa mbola tsy tapaka hatreto. Telo volana mialohan’ny fanadinana an-tsoratra izao, saingy mbola tsy mipetraka ny fomba hiatrehan’ireo mpiadina ny adiana ra-panatanjahantena’izy ireo amin’ity taona ity. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray, tsy afaka hanapaka mihitsy ny avy ao amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony ny amin’izay fomba hanaovana ny fanadinana raha toa ka mbola tsy misy resaka amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny amin’ny hanomezan’izy ireo lesona an-tsoratra ny adina ara-panatanjahantena ho an’ireo mpanala fanadinana. Raha tsiahivina, ny taona lasa, nofoanana tamin’ny ora farany ny EPS bakalorea noho ny fisian’ny valan’aretina covid-19 teto amin’ny tany sy ny firenena. Mety ho toy izay koa ve ny hiafaran’ny amin’ity taona ity ? Toa lasa atsirambina ny fianaran’ireo zaza sy tanora Malagasy amin’izao fotoana. Mbola mipetraka ihany ve ilay hoe tanora ho avin’ny firenena ?
Ally Herisoananahary
