“Andro iray, mpanakanto iray” iarahana amin’i Ariry Andriamarotsiresy ao amin’ny IFM
Anisany mampihena ny fikorotanan-tsaina aterak’ity valan’aretina ity ny fialamboly sy ny fanatajahantena. Izay indrindra no nahatonga ity hetsika ara-kolotoraly iray ity, iarahana amin’i Ariry Andriamarotsiresy. Izy izay mpiangaly ny resaka dihy ary ao anatin’ny fandaharan’asany ny “un jour, un artiste” ka izao iarahany miasa amin’ny IFM izao. Ny sabotsy 22 izao no hanatanterahina izany amin’ny fomba ampitain-davitra noho ny fisian’ny valan’aretina. Afaka hanarahana izany ny ao amin’ny pejy facebook ny IFM manomboka amin’ny 8ora maraina. Maro ireo mpanakanto hafa hiara-hiasa amin’i Ariry amin’io andro io toa an’i Michel Ange Ralaiheiliniarivony sy i Jean Lucien Rajaonarivelo, hanao dihy sy hiangaly gadona antsoina hoe “folam-bata” sy “Vatampeo” sy ny mpandihy maro hafa. Ankoatra izay, handray anjara amin’izany koa ny compagnie Rary sy ny mpiara-miasa aminy hiangaly ny taranja Slam. Anisan’ireo “slameur” hitondra ny anjara birikiny amin’izany ohatra i Rado Ravalison. Hamarana ny fotoana amin’io sabotsy io ny dihy izay ho ataon’ny compagnie Rary hitondra ny lohateny “alatsinainy maraina”. Mampanantena ny tompon’andraikitra ao amin’ny IFM fa hisy ny famerenana mivantana eny an-tsehatra ity hetsika ity raha vao milamina ny toe-draharaha eto amin’ny tany sy ny firenena.
Ally Herisoananahary
