France : Tovolahy iray mpanao trafikana zava-mahadomelina, maty voahitsaky ny fiaran’ireo mpiray tsikombakomba aminy
Tovolahy iray 19 taona nitondra fitaovam-piadiana ary malaza ratsy amin’ny fanondranana zava-mahadomelina no namoy ny ainy, tao Hérault, France, rehefa voahitsaky ny fiara nentin’ireo namany mpiray tsikombakomba taminy, araka ny fanazavana nomen’ny fampanoavana tany an-toerana. Efa voampanga tamin’ity resaka fandraisana zavamahadomelina sy tsy fanarahan-dalàna matetika ity tovolahy ity, ka izao izy namoy ny ainy izao. Araka ny fanazavana hatrany, dia fiara halatra ihany koa ity nentin’ireo namany, nahafaty azy ity. Nahitana fitaovam-piadiana ihany koa teo akaikiny.